NOHAVAOZINA


NY FAHARETAN'NY FINOANA


NY FAHASALAMANA MANOVA NY FIAINANA

14 - 21 Febroary 2026 📍 Amidf, France

Pasteur Fanera ANDRIAMPARATIANA

Un homme de foi

Il est une figure ecclésiastique notable au sein de l’Église adventiste du septième jour à Madagascar, où il exerce des fonctions de leadership administratif et spirituel au sein de la Fédération Madagascar Centre (FMC) regroupant plusieurs églises adventistes et ministères (jeunesse, mission globale, service communautaire, etc.) dans la région centrale de Madagascar.

Professeur Lalatiana ANDRIAMPANARIVO

Fanasitranana sy finoana

Teraka tao Antananarivo, ny Profesora ANDRIAMANARIVO Mamy Lalatiana dia nanokan-tena ho amin’ny fanasitranana, ny fampitana fahalalana ary ny fanompoana. Mpandidy manampahaizana ambony, manana fiofanana iraisam-pirenena sy lalana akademika miavaka izy. Avy eny amin’ny efitrano fandidiana ka hatrany amin’ny andraikitra ambony teo amin’ny oniversite sy ny Fanjakana, anisan’izany ny maha-Minisitry ny Fahasalamana teo aloha, dia nandray anjara lehibe tamin’ny fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara izy. Manam-pahaizana ekena maneran-tany, miara-miasa amin’ireo fikambanana sy fikarohana ara-pitsaboana iraisam-pirenena izy. Efa ho efapolo taona mahery no nanolorany fandidiana maimaim-poana sy fanantenana ho an’ireo marefo indrindra, indrindra ny ankizy. Manampahaizana amin’ny fandidiana sarotra, izy no isan’ireo namerina aina sy ho avy ho an’ny tranga heverina ho tsy azo tanterahina. Olom-pirenena maneran-tany, nitondra ny fahaiza-manaony tany amin’ny firenena manodidina ny fitopolo izy. Mpitarika voaofana tao Harvard ary mpandaha-teny mahay, mino izy fa refesina amin’ny fiantraikany eo amin’ny olona ny leadership. Rotariana efa 25 taona, voafidy ho Gouverneur du District Rotary 9220 mandritra ny fe-potoana 2027–2028 izy. Izy dia maneho leadership maha-olona natokana ho an’ny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny fampandrosoana maharitra

Fomba fijery ara-Baiboly momba ny fahasalamana ara-tsaina sy ny faharetana

Ato amin’ity fandaharana ity isika dia hiara-hijery toko valo izay manaraka ny dian’i Joseph, ka handinika ihany koa ny diantsika. Hojerevantsika ny lohahevitra toy ny nofinofy rava, famadihana fianakaviana, ny fiaretana ny tsy rariny, ny fiandrasana tsy misy farany, ny faharetana ary ny fanorenana indray.

Hiresaka momba ny fifandonana, fifamelana ary fampihavanana koa isika. Ho hitantsika fa tsy nandao an’i Josefa mihitsy Andriamanitra, ary tsy nahafoy antsika koa Izy.

Ny toko tsirairay dia natao hamela anao hiato kely, hisaintsaina, ary angamba hamantatra ny tenanao amin'ny toe-javatra sasany. Hahita tantara ara-baiboly ianao, fa koa fijoroana vavolombelona amin'izao fotoana izao, fahitana ara-tsiansa momba ny trauma sy ny faharetana, ary koa ny lalana mivaingana handrosoana.

14 Feb 2026

Rava ny fanantenana

Mihatanora tsy mila fandidiana : ny tena tsiambaratelon’ny fanoherana ny fahanterana

15 Feb 2026

Ny olon-tiako no namadika ahy

Tsy fahalemena ny fahaketrahana (depression)

16 Feb 2026

Hilefitra sa hijoro

Tsy mamono anao ny adin-tsaina… raha tsy avelanao hanao izany

17 Feb 2026

Aiza Andriamanitra amin'izao

Tsy miseho tampoka ny homamiadana (cancer)

18 Feb 2026

Manoatra noho ny mpandresy

Matory mba ho velona, velona mba hatory

19 Feb 2026

Aza miova!

Arovy ny fonao dieny mbola tsy miantso vonjy izy

20 Feb 2026

Fitiavana sa valifaty

Ho tsara indrindra nefa tsy handrava ny tenanao

21 Feb 2026

Avelao Andriamanitra hifehy ny tantaranao

Ny herin’ny hehy ho fitsaboana